Velirano, fianianana hamita asa an-tsitrapo, aminkintsipo no nataon’izy 16 mianadahy ny talata 4 desambra teo, tetsy amin’ny masoivoho Amerikana Ambaranjana Antananarivo; mialoha ny tena hirotsahany eny amin’ny faritra maro eto Madagasikara
Andiany faha-22 ireto 16 mianadahy Amerikana mpilatsaka an-tsitrapo ireto , izay vao nahavita fiofanana nandritra ny 10 herinandro.Fiofanana izay nahazoan’izy ireo traik’efa : takiana amin’izany ny fahaizana teny Malagasy, fiafiana, fahavononana miatrika ny sarotra.Nisaoran’ireo Amerikana mpilatsaka an-tsitrapo ny mponina ao Mantasoa sy Mahitsy satria nanaiky nandray sy nanome fahaizana tamin’ny fomba am-panao isan-karazany.Roa taona ny fianianan’ny corps de la paix : adidy masina ny fanompoam-pirenena no ataony eto Madagasikara, ny tarigetrany amin’izany : miara-mampandroso ny mponina,manampy ny mahantra; ka ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fiarovana ny zon’olombelona no tena imasoana.”Manatsara ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Etazonia ny asan’ny amerikana mpilatsaka an-tsitrapo eto amintsika”hoy ny minisitra ny fahasalamana Jean Louis Robison ;ohatra amin’izany ny fihenan’ny taham-pahafatesanan’ny reny sy ny zaza.Eo koa ny ady amin’ny aretina tazo moka.Efa 46 taona no nisian’ny corps de la paix teto Madagasikara, efa betsaka ny fiaraha-miasa nataony tao anatin’izay 46 taona izay.
Efa matotra ny fiaraha-miasa, ho fanohizana izay efa vita izao fanaovam-belirano izao.
avril 10, 2008 at 1:57
tena raha momba ireo Peace Corps ireo dia olona misa amin’ny fo tokoa ary ankasitrahina ny tahaka izao.ny tenako moa dia miaiky tanteraka satria ry zareo ireo dia olona tena mianatra mafy!
misaotra Rambelosonrondro amin’ny fanomùezana ny vaovao tahaka ziao ary dia misaoatr ihany koa satria dia tena tsara be ny post soratanao rah vao izao ianao no mnao blog!
avril 11, 2008 at 4:27
I have a lot of respect and admiration for them. What they’re doing shows their humanity and of course their love for life and Madagascar.
I know you too can make things happen only by seeing their work!
Tohizo fa mafinaritra be ny mamaky an’nao!