mai 27, 2008
mai 27, 2008
NY NIANDOHAN’AMBOHIMAHAMASINA
Ara-bakiteny, Ambohimahamasina dia midika hoe ilay vohitra mahamasina ary io anarana io dia nomena ny tanàna araka ny tantarany.
Fahiny elabe dia teo Angavoa, tendrombohitra iray eo avaratra andrefan-tananan’Ambohimahamasina ankehitriny no nonina ny mpanjaka Raolimahevarivo sy ireo havany akaiky ary ireo vahoaka notarihiny.
Ny fambolena sy ny fivelomany anefa dia aty amin’ny faritra iva no nisy azy ka dia nidina izy ireo nanatona ny toeram-pamboleny.
Nangataka ny hevitry ny vahoaka tamin’izay ny ray aman-dreny iray antsoina hoe Ramoromongabe mikasika izay toerana tsara tokony hipetrahan’ny Hova.
Rehefa nifampidinika maharitra izy ireo dia nisafidy an’ Ambohitrarindrano, vohitra iray eo atsimon’Angavoa ho tananan’ny Hova.
Nisy toe-javatra hafahafa anefa niseho teo an-tampon-kavoana satria nisy foto-boasary lehibe iray izay tsy nanome voany mihintsy ka dia novan’ny mponina ho Amboasarikanda ny anaran’ny tanàna.
Nanahy mafy ary ny mpanjaka rehefa nahita io toe-javatra hafahafa io sao hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fanjakany ka dia nampamono omby izy hatao sorona handroahana ny fanahy maloto.
Nahagaga tokoa fa taorian’io sorona io dia namokatra be ilay voasary ary dia novana ho Ambohimahamasinkova izay nafohezina ho Ambohimahamasina ny anaran’ny tanàna ka dia io no raikitra ho anarany mandraka ankehitriny
Tamin.ny taonjato faha enina ambinifolo no heverina fa nihavian’ny mponina voalohany tao amin’ny faritra Ambohimahamasina ankehitriny,
Tonga tao ireo olona avy any amin.ny morontsiraka atsimo atsinanan’ny Nosy (Vohipeno, Manakara) noho ny fitadiavany toerana malalaka sy mahavokatra.. Zato taona taty aoriana dia tonga tao kosa
AMBOHIMAHAMASINA: NY KOLOTSAINA SY NY FOMBA AMAM-PANAON’NY MPONINA
Na inona na inona zava-miseho amin’ny fiarahamonina, hafaliana na fahoriana, ny mampiavaka ny mponin’Ambohimahamasina dia ny fanajana ny Razana, ny zokiolona ary ny fomba amam-panao nentindrazana.
Efa misy sokajin’olona natokana hiaro io fomban-darazana io. Amin’ny anakapobeny dia ireo zokiolona izay mipetraka eo an-tanan’Ambohimahamasina no miandraikitra izany. Izy ireo no mitarika izay lanonana nentin-dazana atao ary dia tsy maintsy misy ny vono omby amin’izany.
Misy karazany maromaro ny lanonana fanao any toy ny ny kiridy sy ny famadihana.
Ny kiridy :
Izy io dia lanonam-pifaliana noho ny fahazoana zava-tsoa na fahatanterahan’ny faniriana teo amin’ny fiainana ary maharitra roa na telo andro eo ho eo. Fitokanana trano vaovao, fahasitranana tamin’ny aretin-dratsy nahazo, mifaly satria voadingana ny sedram-piainana. Amin’izay dia misy ny fanasana ny mpiara-monina, ny fianakaviana.
Ny famadihana :
Mbola fetim-pifaliana ihany ny famadihana betsileo izay famongarana ny maty ary famonosana lamba vaovao na famindrana sy fametrahana razana ampasana vaovao. Maharitra roa na telo andro koa ny fety arak’izay fari-pananan’ny tompony.
Marihina fa ny volana jolay sy ny volana aogositra no fotoana fanaovana ny lanonanana izay mifanojo amin’ny fotoam-pahavokaran’ny vary.
Ambohimahamasina, fiainana eo anivon’ny tontolon-javaboahary
Araka ny maha faritra avo azy izay mahatratra hatramin’ny 1936m ny haavon’ny tendrombohitra, Ambohimahamasina dia tafiditra amin’ny fizaran-tany manana toetr’andro tropikaly izay miteraka fiovaovan’ny toetr’andro manokana ho an’ny faritra.
Amin’ny ankapobeny anefa dia mizara roa mazava tsara ny taona : ny volana may ka hatramin’ny volana oktobra dia maina sy mafana ny andro, mahatratra 26 ka hatramin’ny 28°C ny mari-pana.
Ny volana jona hatramin’ny volana aogositra indray dia mamirifiry sy manerika ny andro indraindray aza dia manjavona mihintsy, miovaova eo anelanelan’ny 10 sy 12°C ny marimpana.
Ny vohotany araka izany no mandrafitra ny toetr’andro. Ambohimahamasina dia Kaominina rakotra tendrombohitra indrindra fa ny ilany atsinanana izay mitohy amin’ny hantsana avo mampisaraka ny afovoantany amin’ny morontsiraka.
Loharano maro no mipoitra avy ao amin’ireo tendrombohitra ireo izay manondraka ireo korian-drano mamakivaky ny kaomina toy ny reniranon’i Mananatanana sy Sandranata na koa miteraka ireo riandrano mahasarika toa an’i Ampasimpotsy, Tanampoha sy Andreapika.
Ireo renirano ireo dia mivarina sy mamelona ireo renirano lehiben’i Madagasikara toa an’i Matsiatra sy Matitanana.
Ireo tontolo ara- boajanahary ireo no mampiroborobo ny tontolo ahafahan’ny karazam-biby (maky, bibilava, vorona) sy karazan-javamaniry (orkidea, apanga ary hazo sarobidy toy ny voamboana) mivelona izay mbola mampiavaka an’Ambohimahamas
AMBONDROMBE, tendrombohitra masina sy manatantara
Araka ny finoan’ny Malagasy, dia mitoetra ao Ambondrombe daholo eo amin’ny faritra anirian’ireo vondro be ny fanahin’ireo razana rehetra efa maty tany aloha. Hatramin’izao aza dia mbola ahitana vondro maniry eny anaty honahona eny an-tampon’Ambondrombe.
Fahiny, tamin’ny andro nanjakan-dRandrianivololona dia Ambohipatsy no niantsoana io tendrombohitra io. Rehefa Ratombolamena sy Rarahombolamena vadiny anefa no nanjaka dia niova ny anarany. Toy izao ny tantarany : naniry hanan-janaka mafy ramatoa ary dia tanteraka ny faniriany satria nahazo zazalahy. Indray andro natory ilay zaza, feno roa taona eo ho eo izy, dia navelan-dreniny tao an-trano fa lasa izy naka vondro handrariany tsihy. Rehefa nifoha anefa ilay zaza ka tsy nahita an-dreniny dia lasa nivoaka ny trano nitady sy nanenjika azy, kinanjo dia diso lalana (sia).
Gaga reniny rehefa tonga tao an-trano fa tsy nahita an-janany. Nivoaka daholo ny vahoaka nanampy azy nitady ilay zaza andro aman’alina nefa dia tsy hita intsony. Nanozona ilay tendrombohitra ramatoa nanao hoe : ” rehefa naka ny zanako ity toerana iy dia tsy hipetra-drery intsony fa ny fanahin’ireo olona rehetra maty dia hiara-monina aminy ato. Mitondra loza ity toerana ity ka tsy misy olona mahazo mipetraka eto intsony”.
Hatramin’izay dia novana ho Iratsy ny anaran’Ambohipatsy. Dia nifindra monina tao Ampatso daholo ny vahoaka, avy eo dia nifindra teny Ampanenjanandava alohan’ny tena nijanonana tao Ankarinomby atsimo. Araka izany dia avy tao Ambondrombe daholo ny fiavian’ny mponina rehetra ao Ambohimahamasina.
Izany no lovantsofina raiketin’Ambondrombe ka mahavariana ny olona mandraka ankehitriny na dia tsy misy milaza ny misitery fonosiny aza satria na dia miezaka mitazan-davitra ny tendrombohitra aza ny olona dia misy foana ny zavona matevina mandrakotra azy. Mifamahofaho amin’ny olona araka izany ny tahotra ny fandehanana eny sy ny maso te hijerijery.
Fa ho an’ireo izay mahery fo ka tapa-kevitra ny handeha ho eny dia misy ireo fombafomba tsy maintsy hajaina sy arahina ary koa tsy mahazo mandeha irery fa miaraka amin’ireo mpitarika tompotany. Satria toerana masina Ambondrombe, dia fady araka izany ny manao maloto sy mandoto azy, tsy azo atao koa ny mikitika ireo zavamaniry afa-tsy izay hatao fanafody ihany.
Na inona na inona anton-dianao any, dia misy ny fomba tsy maintsy arahina : mangataka ny tso-dranon-drazana amin’ny alalan’ny toaka gasy, tantely ary ran’akoho.
Io fangatahana tso-drano io dia mandalo dingana roa mandra-pahatonga eny an-tampony : ao Ambatomifanongoa sy ao Andranombazaha.
Zava-dehibe noho ny tantara rehetra ny fitsidihana ny toerana, ka mba hahatomombana azy tsara, dia hafatrafaranay ianao mba hanatona ny iray amin’ireto olona ireto : RAMOMA Pierre ao Ankarinomby, Radanibe ao Sahamay ary RATSIMBAZAFY Samuel ao Sahabe-atsinanana mba hitarika anao eny.
AMBONDROMBE, la montagne sacrée et mythique
Selon les croyances, l’âme de tous les défunts repose à Ambondrombe, littéralement là où les gros roseaux poussent. En effet, jusqu’à maintenant, des roseaux poussent dans le marais au sommet d’Ambondrombe.
Autrefois, du temps du royaume de Randrianivololona, cette montagne s’appela Ambohipatsy. Elle changeât de nom du temps de Ratombolamena et de son épouse Rarahombolamena. La femme désira tellement un fils et ils eurent un fils. Un jour, la femme partit pour chercher des roseaux pour tisser des nattes et laissa le bébé âgé environ de 2 ans endormi à la maison. Le bébé se réveilla entretemps et partit à la poursuite sa mère et malheureusement il s’égara. Quand la mère rentra, grande fut sa surprise en ne voyant pas son enfant. Tout le monde (le peuple, les marabouts) fit tout son possible et se mit à sa recherche jour et nuit mais en vain. La mère maudit alors la montagne et dit « ce lieu avait pris mon enfant et il n’y restera pas à tout jamais seul, ainsi l’âme de tout ce qui décède viendra ici lui tenir compagnie. Ce lieu est maléfique, plus personne n’y habitera ». Depuis ce temps, ce lieu s’appela Iratsy (littéralement le mauvais).
Tout le royaume se déplaça alors à Ampatso puis à Ampanenjanandava avant de s’établir définitivement à Ankarinomby-Sud et de se mettre à la riziculture. Toutes les lignées d’Ambohimahamasina trouvent leur origine à Ambondrombe.
C’est ainsi que commence le mythe Ambondrombe et cette montagne fascine jusqu’à nos jours sans avoir dévoilé tous ses mystères car même en tentant de l’apercevoir au loin, la forêt et le brouillard presque permanent la cachent. La peur d’y aller et la curiosité de la fouler se mélangent chez les gens. Mais pour les courageux qui décident d’y aller, il faut respecter les traditions et toujours éviter d’y aller sans les guides locaux.
Comme c’est un lieu sacré, il est formellement interdit de le salir, on ne peut rien cueillir sauf pour des produits de pharmacopée. Quelle que soit les raisons de la visite, il faut demander la bénédiction des ancêtres avec du rhum local, du miel et du sang de poulet. Cette demande de bénédiction se passe selon les étapes franchies à Ambatomifangoa et à Andranombazaha avant d’arriver au sommet. La visite vaut plus que toute histoire alors nous vous recommandons de vous faire guider par l’une des personnes suivantes : RAMOMA Pierre à Ankarinomby, Radanibe à Sahamay et RATSIMBAZAFY Samuel à Sahabe-Est.
ANGAVOA, ilay vohitra haolo
Fonenan’ny angavo ity tendrombohitra avobe ity izay manana endrika mahitsy ka izany no nahatonga ny anarany hoe : Angavoa. Mandondona ny ilany avaratr’i Andranomangitsy no misy azy ary mifanehatra amin’ny tendrombohitr’ Ambondrombe.
Fahiny dia teo an-tampon’Angavoa no niorina ny tananan’ Ambohimpagnany (vohitra misy fagnany). Indray andro dia nipoitra avy any ambanin’ny tany ny fagnany iray lehibe ka gaga sy natahotra ny mponina.
Nentin’ny tahotra izy ireo ka nanontany ny mpaminany tao an-tanana ny antony nampivoaka ny biby. Nanambara ity farany fa tonga handrapaka ny vahoaka manontolo io biby io nefa alohan’izany dia mbola hihodina im-pito ny tanana vao hamita ny asa ratsiny.
Dia tanteraka tokoa ny voalazan’ilay mpaminany saingy rehefa tonga teo amin’ny fihodinana fahafiton’ny vohitra ilay bibilava dia tsy afaka intsony. Menatra ity farany ary dia nikasa hitsambikina avy eny an-tampony ka hatrany amin’ny ranomasina. Na dia izany aza dia raiki-tahotra ihany ny vahoaka ka nanapa-kevitra ny handao ny tanana ary dia nidina namonjy ny toera-pambolena izy ireo, Andranomangitsy ankehitriny io toerana io. Ity tendrombohitr’Angavoa izay mandondona be ity dia nampiasain’ny olona ho fasana fahiny ary dia nonina ao ireo vorom-potsy marobe. Raha mankeo an-tampony ianao dia mahatazana ny tendrombohitr’Andringitra, Ambondrombe ary Itaolana.
Raha hisafidy io toeram-pizahantany izay maharitra indray andro ny faharetan’ny fitsangatsanganana io ianao, dia tsara raha hampivady izany amin’ny fitsidihana ireo mpandrary sy mpanenona ao an-tanana izay afaka manoro anao ny fomba fanatanterahana ny asa, ianao koa afaka mampihatra avy hatrany miaraka amin’izy ireo.
Mba hanamora ny fifanakalozana traikefa dia misy mpampiantrano vonona ny handray anao ao an-tanana dia ao Andalandranovao izany.
avril 24, 2008
Est-ce que vous croyez encore au « RAZANA « ?
Depuis plusieurs siècles les MALAGASY avaient des fortes croyances à travers les Razana, ils les ont pris comme l’intermédiaire de Dieu géni créateur et les êtres humains. A chaque fois qu’ils voulaient faire quelques choses d’importants dans leurs vies, ils demandaient d’abord la bénédiction aux Razana, puis passaient aux pèlerinages.
Les ancêtres ont tenu une grande place dans la société traditionnelle.
Or maintenant, vue au développement des divers cultures les Razana n’ont plus leurs valeur ; on jette l’originalité de cultures Malagasy. Je crois en Dieu mais je n’aime pas qu’on dévalorise la tradition .Etes-vous d’accord avec moi ?
avril 22, 2008
Have you ever heard about a Malagasy tradition called « TROMBA « ?
This tradition has existed in many different parts of Madagascar for centuries.
What is a TROMBA?
According to the practice, it’s the continued existence of the king’s ancestors’ spirits in their descendants or other people. That means that when these kings were alive, they were famous, they were the chief and all people respected them .
The hierarchy was divided into:
· Kings and Queens
· Court
· Commoners and slaves
The royal family were at the top of the hierarchy and they were sacred. They had anything they desired, they were happy during their life and they wanted to continue living forever through their spirit. Only their phisical body died but their spirit survived. They borrowed human bodies, came into their mind and survived through their body.That why « TROMBA » appeared in Madagascar . The kings, their descendants or a famous spirits chose a person they wanted to enter into continue to exercise their power as a medium between death and life
Description of the TROMBA :
The spirits must borrow human bodies. The objectives of the TROMBA is to make the possessed person happy ; someone may be wealthy and happy because of the TROMBA. This person can see the future, can cure illness or undo poisoining.The spirits can make others happy or they can bring evil, they can cure differents sorts of diseases.
When a TROMBA enters in your body, you perfom his or her death-throes , when the spirit is in the body your mind changes to theirs and the spirits is alive in your body and can speak again. It can talk and exchanges ideas ; people call them « DADILAHY or DADY . »
So, we can find « TROMBA » in many parts of Madagascar but its name changes in each region and it’s always the same.
avril 10, 2008
To Work and Study
By Rondro
My name is Rondro, I’m 20 and I’m second year in the Journalism School.
I’d like to become a famous journalist in my country.
In my life, I like spend my time to work. When I was 18, I began to work in a society selling portable telephones and I do a demonstration for advertisement. This work is part time but I never attend school because I spend my time at my job. Sometimes I forget that I’m still a student
One hand, I like working because I get some money to pay my fees , to help my parents and so on.
One other hand I dislike working because I need to continue my study or the work takes all my time.
avril 10, 2008
Among the natural disasters : we have storms, hurricane, cyclone, tempests, floods, fire or conflamation squalls, volcanes and seisme…..Cyclone and hurricane are very dangerous for the coasts of Madagascar. A great number of roofs and houses are blown off as theyb pass over the coast. There are not cyclones on highlands as a middle.Natural disastears are dangerous for sailing and for flying.
So, meteorological informations are absolutely indispensable to avoid accident. Beside cyclone causes serious consenquences upon the crops. They destroy the harvest. Finally cyclone deprive men from their houses: and after the cyclone, the rebuilding of the destroyed houses are problems for Government in Madagascar
avril 10, 2008
We have two principal seasons in Madagascar : the dry season and the wet season or rainy season.
The dry season begins in May and ends in October, the weather is usually fine; it rains very little except on the East Coast where it rains almost all long the year.
Sometimes, it is cold at night especially on highlands. People grow very few plants during that period of the year
During, the rainy season, it usually rains cats and dogs. The weather is hot then; It’s the season to grow all sorts of plants in the fields. Every things getting nicely green: the rice fields, the grass, the leaves of trees. People are very busy in their fields during that season.
From time to time, the wind blows strongly, and takes off the lives from the trees or the roofs from the houses.
Sometimes there are natural disasters as cyclones. Sometimes also, in cloudy sky, there are lightnings following of thunder. Heavy rains are following of hails on highlands
avril 8, 2008
Velirano, fianianana hamita asa an-tsitrapo, aminkintsipo no nataon’izy 16 mianadahy ny talata 4 desambra teo, tetsy amin’ny masoivoho Amerikana Ambaranjana Antananarivo; mialoha ny tena hirotsahany eny amin’ny faritra maro eto Madagasikara
Andiany faha-22 ireto 16 mianadahy Amerikana mpilatsaka an-tsitrapo ireto , izay vao nahavita fiofanana nandritra ny 10 herinandro.Fiofanana izay nahazoan’izy ireo traik’efa : takiana amin’izany ny fahaizana teny Malagasy, fiafiana, fahavononana miatrika ny sarotra.Nisaoran’ireo Amerikana mpilatsaka an-tsitrapo ny mponina ao Mantasoa sy Mahitsy satria nanaiky nandray sy nanome fahaizana tamin’ny fomba am-panao isan-karazany.Roa taona ny fianianan’ny corps de la paix : adidy masina ny fanompoam-pirenena no ataony eto Madagasikara, ny tarigetrany amin’izany : miara-mampandroso ny mponina,manampy ny mahantra; ka ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fiarovana ny zon’olombelona no tena imasoana.”Manatsara ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Etazonia ny asan’ny amerikana mpilatsaka an-tsitrapo eto amintsika”hoy ny minisitra ny fahasalamana Jean Louis Robison ;ohatra amin’izany ny fihenan’ny taham-pahafatesanan’ny reny sy ny zaza.Eo koa ny ady amin’ny aretina tazo moka.Efa 46 taona no nisian’ny corps de la paix teto Madagasikara, efa betsaka ny fiaraha-miasa nataony tao anatin’izay 46 taona izay.
Efa matotra ny fiaraha-miasa, ho fanohizana izay efa vita izao fanaovam-belirano izao.
avril 8, 2008
Welcome to WordPress.com. This is your first post. Edit or delete it and start blogging!



